Hafatry ny Filazantsara
– Azafady vakio izao manaraka izao:
Genesisy 1:1 | Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. |
Romana 3:23 | fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra |
Jaona 8:34 | Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota. |
Nahary antsika Andriamanitra nefa tsy mahalala Azy isika ary misaraka Aminy noho ny toetrantsika be fahotana. Ny fiainantsika tsy misy an’Andriamanitra dia tsy misy dikany sy tsy misy tanjony. Ny vokatry ny fahotantsika (vidiny efaina) dia fahafatesana ara-panahy no sady ara-batana. Ny fahafatesana ara-panahy dia midika fisarahana amin’Andriamanitra. Ny fahafatesana ara-batana dia ny fahalovan’ny vatana. Raha maty amin’ny otantsika isika dia hisaraka amin’Andriamanitra mandrakizay ary hiafara any amin’ny helo. Ahoana no ahafahantsika manafaka ny tenantsika amin’ny fahotantsika sy miverina amin’Andriamanitra? Tsy afaka mamonjy ny tenantsika isika satria tsy hain’ny olona be fahotana ny mamonjy ny tenany (mitovy tsy misy valaka amin’ny olona lasan’ny rano izay tsy afaka mamonjy tenany). Na ny olona hafa koa aza dia tsy afaka mamonjy antsika satria be fahotana avokoa isika rehetra (ny olona lasan’ny rano dia tsy afaka mamonjy olona hafa lasan’ny rano, samy mila fanampiana izy roa). Mila olona tsy manam-pahotana (tsy lasan’ny rano) isika hanafaka antsika amin’ny fahotantsika. Olona tsy manam-pahotana ihany no afaka mamonjy antsika. Ahoana ny fomba hahitana olona tsy manam-pahotana ao amin’ny tontolo iray feno ota izay samy efa nanota avokoa ny olona ao aminy?
Romana 6:23 | Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasovana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. |
Jaona 3:16 | Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. |
Matio 1:23 | Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. |
Jaona 8:23 | Fa hoy Izy taminy: Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy amin’izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin’izao tontolo izao; |
Marka 1:11 | Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako. |
Jaona 8:36 | Koa raha ny zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. |
Jaona 3:3 | Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. |
Jaona 1:12 | Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, |
Andriamanitra, izay nahary antsika sy tia be antsika, dia nanome antsika ny vahaolana. Ankoatry ny fitiavany miezinezina nomeny antsika dia mbola nandefa ny Zanany, i Jesosy, ho faty hanefa ny tambin’ny otantsika Izy. Tsy manam-pahotana i Jesosy satria Izy tsy avy amin’izao tontolo izao, ary rehefa teto an-tany Izy dia nahatohitra ny fakam-panahy hanota nataon’ny devoly. Nankasitrahan’Andriamanitra any an-danitra ny fiainany. Jesosy dia nizaka ny otantsika ary maty teo amin’ny hazo fijaliana noho ny otantsika.
Izy no mpamonjy ny aintsika (Afaka mamonjy antsika Jesosy satria tsy lasan’ny rano Izy). Ny tanjon’ny fahafatesan’i Jesosy amin’ny hazo fijaliana dia ny mba hanefana ny tambin’ny otantsika ary, arak’izany, hanala ny fahotantsika tamintsika sy hamerina ilay fihavanantsika amin’Andriamanitra izay simba. Lasan-ko velona avy amin’ny fahafatesana ara-panahy (fisarahana amin’Andriamanitra) isika amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra. Io fihavanana vaovao io dia antsoina hoe fahaterahana indray. Io no mamerina antsika amin’ny tanjon’ny fahariana antsika sy fisiantsika, ary manome antsika ny tena dikan’ny fiainana sy tanjon’ny fiainana.
Jaona 11:25 | Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. |
Romana 6:9 | ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. |
Asa 2:24 | fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy laitr’izany hohazonina Izy. |
Romana 14:9 | Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy. |
Asa 1:11 | izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. |
Inona ny porofo manamarina fa neken’Andriamanitra any an-danitra ny soron’i Jesosy maty nanefa ny tambin’ny otantsika? Ny porofo dia ny fananganan’Andriamanitra an’i Jesosy tamin’ny maty. Voaporofo tamin’ny alalan’ilay fananganana tamin’ny maty fa nandresy ny fahafatesana i Jesosy (na, raha lazaina amin’ny fomba hafa, tsy nanan-kery Taminy ny fahafatesana). Koa ankehitriny, satria miaina Jesosy dia afaka miaina koa isika. Manome fiainana antsika ny fiainany ao amintsika. Ary koa, satria Izy nitsangana tamin’ny maty, dia velona Izy ankehitriny.
Jaona 5:24 | Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. |
Jaona 10:9 | Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. |
Jaona 14:6 | Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. |
Jaona 8:24 | Koa izany no ilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo. |
Asa 4:12 | Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. |
Romana 10:13 | Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena. |
Romana 10:11 | Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy. |
Romana 2:11 | Fa tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra. |
Romana 3:22 | dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ho an’ny rehetra sy ho an’izay rehetra mino; fa tsy misy hafa; |
Romana 10:9 | satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. |
Ahoana ny fomba analana ny otantsika sy ahazoantsika io fiainana vaovao io? Amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy antsika. Raha mibebaka noho ireo fomba ratsitsika feno ota isika ary miantso an’i Jesosy hamela ny fahotantsika sy hamonjy antsika dia hanao izany Izy. Jesosy no Zanak’Andrimanitra izay tonga teto amin’izao tontolo izao ho faty hanefa ny tambin’ny otantsika. N’iza n’iza olona eto an-tany ka mametraka ny fitokiany Aminy dia hahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, ho afaka amin’ny fahotany (sy ny helo) ary hahazo fiainam-baovao avy amin’Andriamanitra. Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Izy dia tsy manavakavaka noho ny tany onenantsika, ny teny tenenintsika, na manana na mahantra, na lahy na vavy, na tanora na antitra, na inona na inona fihasamihafana ara-batana hafa. Izay rehetra mino sy miaiky an’i Jesosy dia ho voavoanjy. Ity manaraka ity dia vavaka iray izay azonao atao raha toa ka manapa-kevitra ny hanaraka an’i Jesosy ianao:
Ry Andriamanitra any an-danitra ô, misaotra anao nandefa ny Zanakao Lahitokana, Jesosy, ho faty hanefa ny tambin’ny otako mba hovoavonjy sy hanana fiainana vaovao avy any an-danitra aho. Ifonako ny fomba ratsiko ary mangataka famelan-keloka aho. Mino an’i Jesosy aho ary mandray an’i Jesosy ho Tompoko sy Mpamonjiko. Ampio sy tantano aho mba hiaina amin’ny fomba ankasitrahanao amin’ity fiainana vaovao omenao ahy ity. Amena
Raha avy nanao io vavaka eo ambony io ianao, angataho Andriamanitra mba hanoro anao fiangonana iray handehananao. Miresaha tsy tapaka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka fa Andriamanitra hiresaka aminao. Henoy ny feon’Andriamanitra. Hitantana anao Andriamanitra. Tia anao Izy ka hikolokolo anao.
Azonao atokisana Izy.
Tsy mamitaka izay matoky Azy na oviana na oviana Izy. Andriamanitra dia Andriamanitra tsara. Azo atokisana Izy. Azonao atao ny manankina ny fiainanao Aminy. Mankanesa eo anoloany mangataka izay ilainao. Miraharaha ny momba anao Izy ary hitsodrano Anao. Hoy Andriamanitra: Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory. Matokisa an’Andriamanitra. Mahazoa fahasoavana amin’ny alalan’i Jesosy.
Mamakia Baiboly tsy tapaka, manomboka amin’ny bokin’i Jaona. Raha mila loharanon-kevitra bebe amin’ny aterineto dia tsindrio eto.